BACE / MEF

Ny alarobia 11 septambra 2019 teo dia nandray ny lehibe ao amin’ny vondrona eoropeana « Chef de Coopération » eto Madagasikara, Andriamatoa Franck PORTE sy ireo mpiara-miasa aminy, ny birao tantsoroka ny amin’ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany « Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure » eo anivon’ny Ministeran’ny Toe-karena sy ny fitantanambola, izay tarihin’ Andriamatoa RAKOTOMAHEFA Bruno.

Ny tanjona tamin’ity fihaonana ity dia ny hanatsarana ny fomba fiasa eo amin’ny roa tonta. Izany no natao dia mba hisian’ny vokatra tsaratsara kokoa amin’ny fampiasana ny famatsiam-bola omen’ny vondrona eoropeana amin’ity andiany faha 11 ity (Programme Indicatif National 11ème FED).

Ny fifampiresahana sy ny ezaka ifarimbonana dia maneho ny finiavan’ny roa tonta hitadiavana ny fahombiazana eo anatrehan’izany fiaraha-miasa izany. Nisy ary ireo tolo-kevitra sy vahaolana naroso hanatsarana ny fomba fiasa rehetra amin’ny fampiasàna ny famatsiam-bola.

Une rencontre entre la Délégation de l’Union Européenne à Madagascar (DUEM) dirigée par le Chef de Coopération, Franck PORTE et de son équipe, et du Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure (BACE) auprès du Ministère de l’Economie et des Finances, conduit par son directeur, M. Bruno RAKOTOMAHEFA a eu lieu le mercredi 11 septembre 2019. Une rencontre qualifiée déterminante pour la coopération entre les deux parties.

La réunion avait pour objectif d’améliorer la collaboration entre les deux parties prenantes et en particulier, de détecter les éventuels blocages afin d’y trouver des solutions adéquates.

Les efforts communs et le dialogue permanent témoignent de la volonté résolue de chacun à obtenir des résultats opérationnels.

Des résolutions visant à mieux utiliser les fonds du Programme Indicatif National du 11ème FED, ont été alors présentées afin de faire face aux éventuelles difficultés.