Fandaharan’asa AFAFI-Centre : fampihofanana ireo ben’ny tanana amin’ny famolavolana ny tetibola voalohany ny 26/10/2021 – 27/10/2021 tanterahina tao Andoharanofotsy Antananarivo

Nisy ny fampiofanana nokarakarain’ny tetikasa TAFITA izay natao iny volana Oktobra lasa iny. Fampiofanana mahakasika ny famolavolana tetibola voalohany.

Taorian’ny fampiofanana izay notanterahina ny voaloandohan’ny volana oktobra izay natao ho an’ny ekipa kaominalin’ny distrikan’ny Ambohidratrimo, dia izao farany izao kosa dia nandeha ny fampiofanana ireo solontena tompon’andraikitra eny anivon’ireo kaominina distrikan’ny Arivonimamo izay voakasiky ny tetikasa TAFITA. Ampahatsiahivina fa TAFITA dia tetikasa iray ao anatin’ny fandaharanasa AFAFI-centre izay vatsian’ny vondrona Eropeana vola.

Mba ho entina hametrahana kaominina tsara tantana, izay tanjona iray ao anatin’ny tanjona 4 iandraketan’ny tetikasa, no nahatonga ny firosoan’ny tetikasa TAFITA amin’izao fampiofanana ireo ben’ny tanàna mahakasika ny famolavolana ny tetibola voalohany izao, ary indrindra ho tantsoraka sy fanampiana ireo kaominina hanana tetibola mirafitra araky ny tokony ho izy.

Ny andrasana aorian’izao fampiofanana izao moa dia mba hamafisana ireo fahaiza-manao an’ireo mpandray anjara rehetra, ka hahavita hamolavola tetibola misaina avy hatrany ny fanaraha-maso ny fanaran-dalàna izay ho hisy ao aoriana.

Ankoatr’izay rehetra izay, ny fandrafetana araky ny tokony ho izy ny tetibola voalohany dia mampiseho ny zava-misy marina ao amin’ny kaominina mba hahafahana mahita ny tsy tomombana tokony ho harenina sy ny mety ho hamafisina.

𝐏𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 𝐀𝐅𝐀𝐅𝐈-𝐂𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 : 𝐟𝐨𝐫𝐦𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞𝐬 𝐦𝐚𝐢𝐫𝐞𝐬 𝐬𝐮𝐫 𝐥’𝐞́𝐥𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐮 𝐛𝐮𝐝𝐠𝐞𝐭 𝐩𝐫𝐢𝐦𝐢𝐭𝐢𝐟 « 𝐁𝐏 » 𝐝𝐮 𝟐𝟔/𝟏𝟎/𝟐𝟎𝟐𝟏 -𝟐𝟕/𝟏𝟎/𝟐𝟎𝟐𝟏 𝐚̀ 𝐀𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨𝐟𝐨𝐭𝐬𝐲 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨

Une formation par vague sur l’élaboration d’un BP ou budget primitif a été organisée tout au long du mois d’octobre par le projet TAFITA. Celui-ci est un projet mis en œuvre dans le cadre du Programme AFAFI-Centre, financé par l’Union européenne à Madagascar.

Après la première vague de formation qui s’est déroulée au début du mois pour les équipes communales du district d’Ambohidratrimo, cette fois-ci ce fut le tour des Maires et de certains représentants des communes concernées par le projet dans le district d’Arivonimamo, notamment les TC. Ces derniers ont été accueillis par les formateurs du projet TAFITA à Andoharanofotsy la semaine dernière.

Cette formation a été initiée dans le but d’instaurer et d’avancer sur la thématique de la bonne gouvernance, afin d’appuyer et d’accompagner les communes pour une élaboration adaptée et correcte du budget primitif.

A l’issue des journées de formation, il est prévu que les participants soient renforcés dans leur capacité à exécuter correctement le budget de la commune, en tenant compte des contrôles de légalité qui sont des contrôles a posteriori.

En outre, une élaboration correcte du BP permettra d’apprécier la situation réelle de chaque commune afin de voir les lacunes à combler et les atouts à renforcer.