Programme AFAFI-Centre : Des maires formés sur l’élaboration du budget primitif les 05 et 06 octobre 2021 à Andoharanofotsy - Antananarivo

5 Oct 2021
Le projet TAFITA, parmi les cinq (5) projets mis en œuvre dans le cadre du Programme AFAFI Centre, financé par l’Union Européenne, organise une formation de 2 jours à partir de ce mardi 05 Octobre 2021 sur l’élaboration de Budget Primitif (BP) d’une commune. Cet évènement regroupe les maires ainsi que quelques représentants des communes bénéficiant du projet.
Rappelons que les axes d’intervention du projet TAFITA se focalisent sur quatre (4) thématiques bien définies, à savoir : l’appui à la gestion foncière décentralisée ; la relance de la fiscalité locale ; l’élaboration des SAC ou Schémas d’Aménagements Communaux et la bonne Gouvernance.
Afin d’instaurer et d’avancer sur la thématique de la bonne gouvernance, une formation est entreprise par le Projet TAFITA afin d’appuyer et accompagner les communes pour une élaboration adaptée et correcte du budget primitif.
A l’issue de ces deux jours de formation, les participants pourront dresser correctement le budget de la commune avec une prise en compte des contrôles de légalité qui sont des contrôles a posteriori.
Une élaboration correcte du BP permettra une appréciation de la situation réelle de chaque commune afin de voir les failles à combler et les atouts à renforcer.


Fampiofanana ireo ben'ny tanàna amin'ny famolavolana ny teti-bola voalohany ho an'ny kaomina izay atao ny faha 05 sy 06 oktobra 2021 eny Andoharanofotsy - Antananarivo

Ny tetikasa TAFITA, izay tetikasa iray ao anatin’ireo tetikasa 5 dimy ny Fandaharanasa AFAFI-Centre, vatsian’ny vondrona eoropeana vola dia manantontosa fampiofanana ireo ben’ny tanàna sy ireo solontena vitsivitsy eo anivon’ny kaomina voakasik’izany.
Miompana amin’ny famolavolana ny tetibola voalohany ho an’ny kaomina ny fampiofanana. Mandritra ny roa andro no anatanterahina izy ity, manomboka anio talata 05 oktobra 2021 ary mifarana ny alarobia 06 oktobra 2021.

Ampatsiahivina fa ny tetikasa TAFITA dia misahana sehatra 4 mirafitra tsara : tantsoroka ny fitantanana ifotony ny fananan-tany ; fanetsehana ny hetra eny ifotony ; fanaovana ny SAC « Shémas d’Aménagements Communaux » ary farany ny fanatsarana ny fitantanana eny ifotony.

Mba hirosoana amin’izay kaomina tsara tantana izay indrindra no antony namolavolan’ny tetikasa TAFITA izao fampiofanana ireo ben’ny tanàna mahakasika ny famolavolana ny tetibola voalohany izao. Izany no natao dia mba hisian’ny tantsoraka sy fanampiana ireo kaomina hanana tetibola mirafitra araky ny tokony ho izy.

Aorian’izao roa andro anaovana fampiofanana izao moa dia tokony hitombo ny fahaiza-manao an’ireo mpandray anjara rehetra, ka hahavita hamolavola tetibola mikajy ny fanaraha-maso ny fanarahan-dalàna izay hisy ao aoriana.

Ny fandrafetana araka ny tokony ho izy ny tetibola voalohany dia mampiseho ny zava-misy marina ao amin’ny kaomina mba hahafahana mahita ny tsy tomombana tokony ho harenina sy ny mety tokony ho hamafisina.